Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nidoboka am-ponja: lehilahy iray nisandoka ho polisin’ny BC

Nidoboka am-ponja: lehilahy iray nisandoka ho polisin’ny BC

Nidoboka am-ponja, ny asabotsy teo, ilay lehilahy nisandoka ho polisy misahana ny heloka bevava, sakelika faharoa (BC4). Noho ny fisandohana ny antony nisamborana ity lehilahy ity teny Ankatso, raha ny tatitra nampitain’ny polisy. Voalaza tamin’ny tatitra fa mpivarotra sakafo eny akaikin’ny lycée Rabearivelo Analakely ny nisandohan’ity lehilahy ity ary nilaza izy fa polisy. Voalaza fa efa mpisakafo ao amin’ilay mpivarotra ity polisy sandoka ity. Manana karatra sandoka milaza fa polisin’ny BC4 izy kanefa tsy polisy ilay lehilahy. Nitaraina sy nila fanampiana tamin’ilay nilaza fa polisin’ny BC4 ilay lehilahy mpivarotra ary nilaza fa nisy olona ananany vola 360 000 Ar, mpivarotra mifanila aminy. Niteny ilay nilaza ho polisy fa handray an-tanana ny raharaha. Nalainy, noho izany, ny mombamomba ilay vehivavy ka nomeny fiantsoana ho eny amin’ny BC4 Anosy. Rehefa nahazo ny fiantsoana ilay vehivavy, tonga teny amin’ny BC4 Anosy. Nanontany ny tompon’andraikitra ao izy, saingy tsy nisy izany raharaha nampanantsoina azy izany teny. Teo no nahafantaran’ny tompon’andraikitra fa misy olona misandoka ho polisin’ny BC. Tsy niandry ela ny polisy ka nisambotra azy teny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be 119 eny Ankatso, ny 29 novambra 2018 teo.

J.C

Les commentaires sont fermées.