Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Me Razafinjatovo Willy: “Harahina raha tanteraka ny fampanantenan’ny kandidà”

Me Razafinjatovo Willy: “Harahina raha tanteraka ny fampanantenan’ny kandidà”

Ao anatin’ny fampielezan-kevitra indray izao… Nambaran’ny mpahay lalàna, ny Me Razafinjatovo Willy fa harahina raha tanteraka na tsia ny fampanantenan’ny kandidà ho voafidy eo.

“Efa mametraka sahady ny tenako dieny izao, tsy mbola misy voafidy na iza na iza: tsy maintsy hanaraka ny andraikitra horaisin’izay filoha voafidy eo: hanatanteraka sa tsia ny fampanantenana nataony tamin’ny fampielezan-kevitra izy?”

Izay ny fanehoan-kevitry ny mpahay lalàna, ny Me Razafinjatovo Willy, momba ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika fihodinana faharoa. Ny dikan’izay, tsy maintsy miantso ny vahoaka rehetra izy hoe: tsy avela handeha fotsiny amin’izao ny filoha voafidy eo fa mba harahin’ny rehetra raha tanteraka na tsia izay nampanantenainy tamin’ny fampielezan-kevitra.

Maika ny fandriampahalemana, ny tany tan-dalàna…

“Farafaharatsiny amin’izany ny hisian’ny fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena”, hoy izy ny amin’izay fampanantenan’ny kandidà izay. Eo ihany koa ny hoe: hisy ve sa tsia ny fampitoviana ny Malagasy eo anoloan’ny lalàna? Tsy misy kely sy lehibe eo imason’ny lalàna. Ny dikan’izay, tany tan-dalàna i Madagasikara: na iza na iza diso, tsy maintsy sazina.

Fahatelo farany, tokony hifanaraka amin’izay ary ho hita eo ny momba ny kolikoly. Samy niteny avokoa ireo kandidà ireo fa hanenjika sy hanasazy amin’ny fomba rehetra izay azo atao ireo mpanao kolikoly.

Mila mandeha mifidy…

“Mipetraka amin’ny maha raiamandreny ny tenako aho, ary mampirisika ny olom-pirenena tsirairay avy: ataovy ny adidinareo, ry vahoaka malagasy, mandehana mifidy araka ny fitiavanareo sy ny fahitanareo ny zava-misy sy ny fanazavana ataon’ireo kandidà”, hoy ihany izy.

Tsy misy afa-tsy kandidà roa sisa isafidianana ka sarotra aminy ny hiteny hoe izao na izatsy. Manaraka izay hataon’ny filoha voafidy eo ny rehetra, tanteraka sa tsia ny fampanantenany?

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.