Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Maintirano: rendrika ny lakana nitondra zandary

Maintirano: rendrika ny lakana nitondra zandary

Rendrika tao Ampandramalaza, kaominina ambanivohitr’i Andrea, distrikan’i Maintirano, ny 2 desambra 2018 antoandro teo, ny lakana iray. Nitondra zandary telo lahy hamita iraka manokana any Nivakiambakoly ity lakana ity kanjo nivadika tampoka tao amin’ny reniranon’i Manambaho. Vokany, lasan’ny rano ny basy Kalachnikov iray niaraka tamin’ny « chargeurs » roa nisy bala an’ny zandary iray nandritra ny fivadihan’ilay lakana. Nandray andraikitra avy hatrany ny zandary miasa ao Maintirano nanao fikarohana ity fitaovam-piadiana ity niampy ny fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona. Nidina tany an-toerana ihany koa ny kaomadin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria ao Melaky niaraka tamin’ny manampahaizana manokana momba ny fisitrihana any anaty rano. Nandeha ny fikarohana ka hita ny ampitson’io naharendrehan’ny lakana io ilay basy Kalachnikov niaraka tamin’ny « chargeurs » roa. Na teo aza ny voina nihatra tamin’ireo zandary, avotra soa aman-tsara ihany koa izy telo lahy ireo.

J.C

 

 

Les commentaires sont fermées.