Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anosipatrana sy Mahamasina: miaramila telo lahy, tratra nivarotra balana Kalachnikov

Anosipatrana sy Mahamasina: miaramila telo lahy, tratra nivarotra balana Kalachnikov

Miaramila ny telo amin’ireo lehilahy voarohirohy tamina raharaha fivarotana balana Kalachnikov tratran’ny polisy teny Anosipatrana sy Mahamasina, ny 28 novambra 2018 lasa teo…

Io indray! Ny polisy avy ao amin’ny PPA Ilanivato sy ny polisy misahana ny heloka bevava (BC), sakelika fahefatra (BC4), no nahasambotra ireto voarohirohy ireto. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, nahazo loharanom-baovao izy ireo ka fantatr’izy ireo tamin’izany fa misy balana basy Kalachnikov maromaro mandehaleha eny amin’iny faritra iadidian’ny polisy eny Ilanivato iny. Ny 28 novambra 2018, nanamafy hatrany ny fitsirihana sy ny fisavana ireo fiara mifamezivezy eny amin’ny faritra Ilanivato iny ny polisy. Vokany, indray vosambotra teny amin’ny lalana Digue Anosipatrana ny lehilahy efatra, nandritra ny fisavana fiara taxi iray. Nahitana balana basy Kalachnikov miisa 120 teny amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Nentina nanaovana famotorana teny amin’ny BC4 avy hatrany ireto efa-dahy ireto. Nitohy hatrany ny fanadihadiana ka nahafahana nisambotra lehilahy telo hafa indray teny Mahamasina. Miaramila avokoa izy telo lahy ireto, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy hatrany. Nohamafisin’ny polisy hatrany tompon’andraikitra voalohany amin’izany fanaparitahana balana fitaovam-piadiana mahery vaika izany izy ireo. Fantatra, nandritra ny famotorana, fa aparitaka eto an-dRenivohitra sy alefa any amin’ny faritra ireo bala maromaro ireo ary vidina 6 000 Ar. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.