Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankerana: lehilahy mpamaky trano, tratran’ny polisy

Ankerana: lehilahy mpamaky trano, tratran’ny polisy

Voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny boriborintany fahavalo, ny alin’ny asabotsy hifoha alahady faha 2 desambra teo, teny amin’ny faritra Ankerana iny, raha vao hikasa ny hamaky trano iray, ny lehilahy iray 43 taona. Tokony ho tamin’ny 2 ora maraina no nahatsikaritra ny tompon-trano fa misy olona mivezivezy ao an-tokotaniny. Voamarina izany rehefa nijery ny « Caméra de surveillance » izy ireo ka nahita fa misy lehilahy iray mivezivezy toa mitady hevitra hidirana ny trano.

Niantso polisy avy hatrany izy ireo, noho izany. Fotoana fohy taty aoriana, tonga teny amin’ny faritra Ankerana ny polisy. Raha mbola an-dalana ho ao amin’ilay tokantrano niantso vonjy anefa izy ireo, nifanena tamina lehilahy iray. Nosakanana ity farany ka ary nosavaina. Tratra teny aminy tamin’izany ny fitaovana maromaro toy ny baramina sy ny « pince » maromaro. Nosamborina avy hatrany izy, araka izany, ary nentina teo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo hanaovana fanadihadiana. Nandritra izany, niaiky izy fa saika hamaky trano ary novidiany hanapitsohana varavaran’olona ireo fitaovana teny aminy ireo. Voalazany ihany koa fa efa nivezivezy teny Ankerana izy ny asabotsy tokony ho tamin’ny 9 ora alina mba hizahazaha izay trano hovakiny ka tamin’ny 2 ora maraina izy no niverina tao amin’ilay tokantrano nokasainy hovakina. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy io.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.