Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsiadana: tratra ireo andian-jiolahy mpamaky fiara

Tsiadana: tratra ireo andian-jiolahy mpamaky fiara

Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny polisy eny Ambohijatovo Ambony CSP2, ny zoma alina lasa teo ireo jiolahy malaza ratsy amin’ny famakiana fiara eny amin’ny faritra Tsiadana. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisy, maro ny fitarainana voarain’ny polisy avy ao amin’ny CSP2 amin’ny fanendahana sy famakiana fiara mijanona amoron-dalana eny Tsiadana sy ny manodidina.

Niditra an-tsehatra avy hatrany ny polisy taorian’izay ka nanao fisafoana teny an-toerana ka tamin’izany no nahatrarana jiolahy mampiahiahy. Niroso tamin’ny fisavana ireto jiolahy ireto avy hatrany ny polisy ka nandritra izany no nahitana fitaovana maromaro famakiana fiara, toy ny fanalahidy maroanaka. Nentin’ny polisy nanaovana fanadihadiana teny amin’ny kaomisaria avy hatrany izy ireo. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Tamin’izany no nilazan-dry zalahy fa efa fanaon’izy ireo ny mamaky fiara eny amin’iny faritra iny. Efa natolotra ny fitsarana ireto jiolahy mpamaky fiara ireto.

J.C

Les commentaires sont fermées.