Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toekarena: namaly ny mpandraharaha Rajoelina

Toekarena: namaly ny mpandraharaha Rajoelina

Namaly ny hetahetaha na koa ny ahiahin’ireo mpandraharaha mivondrona eo anivon’ny Gem, ny kandidà Rajoelina, omaly tetsy Anosy. Nitondra vahaolana koa ny tenany ho amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fihariana ankapobeny eto amin’ny firenena. Anisan’ny nambarany fa hojerena manokana ireo tataon-ketra sy haba eny anivon’ny fadintseranana. Ny fijerena indray ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola amin’ireo orinasa lehibe misahana ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany sy ny lalàn’ny fitrandrahana. « Anisan’ny sakana izany rehetra izany. Fa eo koa ny tsy maintsy hiadiana amin’ny kolikoly », hoy izy. Nohamafisiny fa anisan’ ny vahaolana koa ny fametrahana ny mangaraharaha. Eo ohatra ny tolobidy malalaka ho an’ny rehetra mba samy afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ny rehetra, araka ny nambarany. « Hapetraka ny rafitra ho amin’ny fanaraha-maso sy ny fizohiana ny tontolon’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Natao ho an’ny rehetra ny lalàna…. », hoy ihany ny kandidà laharana faha-13.

Manampy izany ny vahaolana eo amin’ny lafiny angovo sy ny herinaratra, ny fifandraisana sy ny teknolojia avo lenta. Ny fijerena ny tontolon’ny orinasa madinika sy salantsalany…

Notsindriny manokana ny fifandraisan’izany rehetra izany eo amin’ny lafiny fampianarana sy ny fanabeazana, manoloana ny tontolon’ny asa sy ny tsenan’asa ho an’ny tanora. « Azo atao ny mametraka an’i Madagasikara ho firenen’ny indostria goavana sy lehibe… Tsy maintsy jerena anefa ny rafi-pampianarana eto amintsika. Manomboka any amin’ny kilasy fahenina sy fahatelo ny fijerena sahady ny lalan’ireo tanora hiantsehatra eo amin’ny asa », hoy izy.

Randria

 

Les commentaires sont fermées.