Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Rallye virtuel »: tompondaka 2018 Ratsimbazafy Riry  

« Rallye virtuel »: tompondaka 2018 Ratsimbazafy Riry   

 

Taorian’ny fanambarana ny isa ho an’ireo mpandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny « Rallye virtuel », taona 2018, voahosotra ho tompondaka i Riry teo amin’ny filaharana ankapobeny sy ny sokajy « 2RM ». Nahazo fandresena in-droa nisesy izy, tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny FSAM sy ny lalao farany « Final Round », ny volana novambra lasa teo. Marihina fa dingana miisa 7 no nifaninanana tamin’ity taom-pilalaovana ity ary niampy ny lalao fanokafana sy ny lalao famaranana. Ny isa azon’ny mpanamory nandritra izany no natambatra ka nahazoana ny vokatra farany.

Manana isa 182 Ratsimbazafy Riry ary mitàna ny lohany. Ity farany izay teo amin’ny familiana ny fiara marika Citroen DS3 R3-MAX. Manaraka azy ao amin’ny laharana faharoa kosa Ralahy Hobimalala Andriantsaina, manana ny isa 156. Rakotobe Serge, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Sergerktb no mamarana ny telo voalohany amin’ny filaharana ankapobeny izay manana isa 76.

 

Mi.Raz

 

Ireo 5 voalohany, VMRC 2018:

1-Ratsimbazafy Riry (Citroen DS3 R3-MAX): 182

2-Ralahy Hobimalala Andriantsaina (Mitsubishi Lancer Evo X N4): 156

3-Rakotobe Serge (Mitsubishi Lancer Evo X N4) : 76

4-Nirs (Mitsubishi Lancer Evo X N4): 73

5-Ben RMS (Mitsubishi Lancer Evo X N4) : 66

 

Les commentaires sont fermées.