Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ny fanahy maha olona: « Nisy lesoka ny Ceni… »

Ny fanahy maha olona: « Nisy lesoka ny Ceni… »

Naneho hevitra manoloana ny raharaham-pirenena, indrindra taorian’ny fahavitan’ny fifidianana ny fikambanana Ny  fanahy maha olona. “Miantso ny Ceni izahay mba hanatsara hatrany ny fomba fiasa, satria nisy lesoka ny teo aloha, amin’izao hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa izao”, hoy ny eo anivon’ny birao nasionaly tetsy Antaninarenina, omaly. Niantso ny rehetra koa izy ireo hanara-maso ny lisi-pifidianana eny anivon’ny fokontany ary handray anjara amin’ny fifidianana, ny 19 desambra izao. “Aoka hojerena ny hoavin’ny taranaka sy ny firenena ka hanefana izany adidy masina izany. Aoka ho tony mandrakariva isika mpiray tanindrazana amin’ny fiatrehana ny fifidianana”, hoy ihany izy ireo.

Fototry ny fampandrosoana ny Vatoeka 

Ankoatra izany, nanterin’ny Ny Fanahy maha olona fa azo atao fototry ny Madagasikara am-perinasa andiany faharoa (Map II) ny Vaomieran’ny toekarena (Vatoeka) sady fanoitra ho entina manatanteraka ny fandaharanasa rehetra. “Efa miely any amin’ny distrika 119… tsy mifanalavitra ny fomba fijerinay amin’ny kandidà laharana faha-25 ka ho mpirahalahy mianala. Hanentana antsika izahay hifidy azy, amin’ny 19 desambra”, hoy ihany Ny fanahy maha olona.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.