Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FPMA Lyon: 35 taona ny Feon’ny fahazavana

FPMA Lyon: 35 taona ny Feon’ny fahazavana

 

Mikarakara kaonseritra lehibe ny antoko mpihira Feon’ny fahazavana, ao amin’ny fiangonana protestanta Malagasy (FPMA) any Lyon, ny 8 desambra izao, ao amin’ny Espace protestant Théodore-Monod. Entina indrindra hanamarihana ny tsingerin-taona faha-35 nijoroan’ity antoko mpihira ity izany.

Ho an’ny kristianina, ny tenin’Andriamanitra no fahazavana ka antom-pisian’ny antoko mpihira ny fanapariahana izany an-kira. Izay no nahatonga ny anarana hoe Feon’ny fahazavana. Mandray anjara amin’izay fitoriana an-kira izay ny antoko mpihira isaky ny alahady, mandritra ny fotoam-pivavahana.

Anisan’ny asa lehibe sahaniny koa anefa ny fanaovana kaonseritra any ivelan’ny fiangonana. Manana mpamoron-kira maromaro ny Feon’ny fahazavana ary tsy mifidy gadon-kira : gospel, salsa, blues, RnB, miampy gadona malagasy, toy ny salegy, tsapiky, bà gasy ary koa ny mozika klasika.

Misokatra amin’ny fironana rehetra ny Feon’ny fahazavana raha izay no hahatafita ny hafatra sy hanomezana fiderana an’Andriamanitra. Araka izany, hatevina ny fandaharam-potoana amin’io fanamarihana ny faha-35 taon’ny antoko mpihira io.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.