Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiompiana: hararaotin’ny sasany ny fivarotana bokin’omby

Fiompiana: hararaotin’ny sasany ny fivarotana bokin’omby

Manaitra ny fanjakana foibe ny any amin’ny faritra Matsiatra Ambony fa amidin’ny sampandraharaham-panjakana lafo, hakana tombony ny bokin’omby (FIB). Tsy natao hakana tombony ireny fa tokony ho ny vidiny avy any amin’ny Tranopiritim-pirenena ny hanomezana izany ho an’ireo tompon’omby, raha ny fitarainana avy any an-toerana. Mangataka amin’ny minisiteran’ny Tetibola sy ny vola ny faritra Matsiatra Ambony sy ho an’ny faritra hafa mba hapetaka eo amin’ny bokin’omby ny tena vidiny. Lasa fanararaotana indray ny famarotana izany bokin’omby izany ; misy manao hosoka mihitsy aza ireny bokin’omby ireny.

Dimy taona ny faharetan’ny boky iray, misy pejy 50. Voarakitra ao anatin’izany pejy  tsirairay izany ny mombamomba ny omby iray, koa raha mbola tsy novonoina ilay omby, tsy maintsy havaozina avy hatrany io bokin’omby io. 65.000 Ar ny vidiny farany avy any amin’ny Tranopirintim-pirenena, nefa misy manararaotra mivarotra izany ambony hakana tombony any amin’ny faritra maro. Ankoatra ny asan-dahalo, mbola voa mafy koa ireo tantsaha hanaovan’ireo sampandraharaham-panjakana momba ny fiompiana any ambanivohitra.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.