Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fetin’ny Krismasy: mivoaka ny karazana kilalao

Fetin’ny Krismasy: mivoaka ny karazana kilalao

Na takon’ny fampielezan-kevitra sy ny raharaha politika aza ny fiainan’ny Malagasy, miezaka ny ho volon’andro fety ihany ny eny an-tsena sy ny an’ny tokantrano sasantsasany. Mirantiranty eny an-tsena ny ravaky ny Krismasy mamirapiratra.

Mivoaka ihany koa ny kilalao ho an’ny kilonga. Efa manomboka mividy izany ny mpiantsena, saingy tsy mbola betsaka, raha ny filazan’ny mpivarotra.

Mbola malaza ny dinety sy ny saribakoly ho an’ny ankizivavikely. Samy manana ny karazany sy ny habeny izy ireny. Manomboka amin’ny 5000 Ar ny tsotra indrindra ary tafakatra amanetsiny ireo tsara kalitao.

Ny “overboard” kosa no malaza ho an’ny ankizilahy. Tsy misy latsaky ny 400.000 Ar anefa izy ireny. Ny sasany aza efa ny drone no andrandrainy ho azo, aterin’ingahibe Noely amin’ny alin’ny Krismasy. Lafo izy ireny kanefa misy ihany ireo ray aman-dreny vitsivitsy mahasahy mividy azy eny amin’ny magazay.

Mionona amin’ny fiara kely sy kilalao madinidinika kosa ny ankamaroan’ny olona miatsena. Maro karazana rahateo izy ireny amin’ny tsenan’ny Sinoa ary mora sy takatry ny maro ny vidiny.

Fantaro anefa fa misy koa ireo ankizy tsy misitraka kilalao izany mihitsy rehefa Krismasy fa miaina amin’ny zava-misy.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.