Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampasimazava – Toamasina: tratra ny dimy tamin’ireo 12 lahy namaky magazay

Ampasimazava – Toamasina: tratra ny dimy tamin’ireo 12 lahy namaky magazay

Tsy afa-bela fa sarona nandritra ny fisafoan’ny zandary tao Toamasina ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fikasana hamaky magazay tao Ampasimazava…

Voasambotry ny zandary tao Toamasina, ny 1 desambra 2018 tokony ho tamin’ny 1 ora maraina ny dimy tamin’ireo jiolahy 12 lahy namaky magazay fitoeran’entan’ny tranombarotra iray ao Ampasimazava kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Araka ny fanazavan’ny zandary, nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo tao an-drenivohitr’i Toamasina sy ny manodidina hisorohana sy hanoherana ireo trangam-panafihana, indrindra amin’ny alina no nahatrarana ireto andian-jiolahy ireto. Raha mbola nihodinkodina nanerana ny tanàna ireo zandary notarihin’ny kaomandin’ny kaompania dia nandre fa misy andian’olona miisa 12 lahy miaraka amina kamiaobe mampiahiahy fa toa misikotsikotra tranon’olona. Tsy niandry ela ireo zandary ireo fa avy hatrany dia nihazo ny toerana voalaza ka jiolahy ampolony manokatra varavarana. Nandositra avy hatrany izy ireo raha vao nahatazana ny fiavian’ireo zandary ka raikitra ny fifanenjehana, noraisim-potsiny ny dimy lahy raha tafaporitsaka kosa ny fito lahy. Nozahana ny tao an-trano, araka ny filazan’ny tompon’ny tranombarotra dia haingana dia haingana ny fahatongavan’ny zandary ka tsy mbola nisy azon’izy ireo ny vary tao amin’ny magazay. Sarona teo an-tokotany koa ny kamiaobe nentin’ireo mpangalatra hitaterana ireo vary saika hangalarin’izy ireo. Niaiky ny heloka vitany ireo jiolahy nandritra ny famotoran’ny zandary.

J.C

Les commentaires sont fermées.