Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

15 taona ny centre Sembana mijoro: miahy ny olona manana fahasembanana mavesatra

15 taona ny centre Sembana mijoro: miahy ny olona manana fahasembanana mavesatra

Mankalaza ny 15 taona nikarakarany olona manana fahasembanana ny centre Sembana mijoro amin’ity taona ity. Nanokatra ny varavarany, nandray ireo mpitsidika liana amin’ny asan’ny centre izy ireo, omaly teny Ambohibao ary nizara ny vaovao rehetra. Ireo manana fahasembanana mavesatra no raisina an-tanana ao amin’ny centre, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra iray, omaly. 24 izy ireo ary mifangaro ao ny manana fahasembanana ara-tsaina sy ara-batana. 15 amin’izy ireo kilasy mandry fa ny ambiny mody any amin’ny fianakaviany isan’andro. Mianatra toy ny ankizy rehetra ireo karakaraina ao amin’ny centre hatramin’ny kilasy 7ème. Tsy misy ny famerana ny fandaharam-pianarana toy ny any amin’ny kilasy mahazatra fa arakaraka ny fandraisan’ny ankizy ny lesona no itondrana ny fampianarana. Ankoatra ireo manana fahasembanana mavesatra, misy koa ny ankizy mpianatra manana fahasembanana mipetraka eny amin’ny manodidina mahazo vatsim-pianarana avy amin’ny centre. Valo izy ireo amin’izao taom-pianarana vaovao izao. 15 ny olona miofana ao amin’ny fiofanana momba ny asa zaitra, ny informatika.

Tsangam-bato manamarika ny 15 taona niorenana ny fisokafan’ny toeram-pisakafoana eny Analamahitsy, mampiasa olona sivy sy ny toeram-piasana momba ny zaitra.

Mangataka tohana amin’ny fanjakana ny tomponandraikitry ny centre satria raha tsy misy ny mpanohana, mavesatra ihany ny fikarakarana sy ny vola entina hampihodinana azy.

Nandritra ny hetsika, omaly no nandefasana ny rindran-tsary fanentanana amin’ny tsy tokony hanilikilihana ny olona manana fahasembanana mandritra ny fifidianana. Manana zo hifidy toy ny olom-pirenena izy ireo fa tokony hisy fepetra apetraky ny fanjakana ahafahany manatanteraka io zo io. « Tsy ahilikilika » ny lohatenin’ny rindran-tsary.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.