Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: hanao asa soa i Maminirina

Toamasina: hanao asa soa i Maminirina

Nakotrokotroka ny fety tetsy amoron-dranomasin’i Toamasina ny asabotsy teo noho ny fandraisana tamin’ny fomba ofisialy ny filoha nasionalin’ny fikambanana Mami,      Maminirina Jean Eddy. Nitsabo tena tany ivelany, hatramin’ny taona 2014 ny tenany ka izao indray vao tafaverina eto an-tanindrazana. Vokany, faly ny vahoaka ka namono omby efatra ho nofon-kena mitam-pihavanana, niantsoana ny vahoakan’ i Toamasina.  Na izany aza,  tsy nanao fanambarana politika ny filohan’ny Mami. “Hamerina indray ny asa soa ho an’ny vahoaka isika. Misy ny fiaraha-miasa milamina sy mirindra amin’ny kandidà laharana faha-13 koa anefa eo amiko sy ny mpiara-dia aminay”, hoy izy. Nanolotra vola 300.000 ariary ho an’ i Lalaina, tovolahy mpikaroka olona atelin’ny ranomasina i Maminirina Jean Eddy. Anisan’ny fikarohana maty an-drano nataony farany ny fitadiavana ilay tovolahy tonga niasa letisia natelin’ny ranomasina ary hitany soa aman-tsara . Zanadrano rahateo ny lehilahy ka ambaran’ny maro fa tokony hiasa na koa omena asa eo anivon’ny vondron’ny  mpamonjy voina ny tenany.

Sajo

 

Les commentaires sont fermées.