Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rn 7 toliara: taksiborosy Tata nivadika

Rn 7 toliara: taksiborosy Tata nivadika

Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy. Fiara taksiborosy Tata iray no nivadika tany amin’ny lalana Rn7, efa hiditra an’i Toliara. Niala lalana mihitsy ilay fiarabe.  Maro no naratra fa mba tsy nisy aina nafoy. Araka ny fanazavana azo, vokatry ny fandehanana mafy ny nahatonga ny loza. Mahitsy ny lalana, ary tsy nahatana familiana tampoka ny mpamily ary izao nivarina izao. Nifamonjy ny olona tao anaty fiara mandrapahatongan’ny mpanavotra teny an-toerana.

Tonga teny ihany koa ny mpitandro filaminana. Nalefa any amin’ny hopitaly ny naratra tamin’izany. Anisan’ny hisehoana lozam-pifamoivoizana matetika ihany koa ny RN7, ary ny taksiborosy no tratran’izany matetika. Tsy ampy ny fanaraha-maso, ny fahafehezan’ny mpamily ny fiara, ny fitondrana olona mihoatra amin’ny tokony ho izy. Efa eo am-pelatan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.