Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisiteran’ny Asa: nahazo fitaovana ny any Antsiranana

Minisiteran’ny Asa: nahazo fitaovana ny any Antsiranana

Nidina ifotony. Nitohy tany Antsiranana, ny herinandro teo, ny fitsidihan’ny minisitry ny Asa, Raholimasy Holder ny sampandraharaham-paritry ny minisitera. Nitondra vahaolana avy hatrany amin’ny olana sedrain’ny mpiasa ny tenany. Nanolotra fitaovana sy kojakoja, toy ny ordinatera ny minisitra tamin’izany, tahaka ny efa nataony tany amin’ny sampan-draharaham-paritra hafa efa notsidihiny. Nambarany koa fa hohamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny minisitera.

Ankoatra izany, nitsidika ny orinasa  Pêche et Froid any an-toerana koa ny minisitra Raholimasy Hoder. Nijery ny tontolo iainan’ireo mpiasa ao amin’ity orinasa misehatra eo amin’ny fanondranana vokatra an-dranomasina ity. Nojerena manokana ny tokony hametrahana ny kalitao noho ity orinasa ity misehatra any ivelany koa. Nanampy izany ny fitsidihana ny sampan-draharaha misahana ny fahasalaman’ny mpiasa (Smid). Zava-dehibe ny fanarahan’ny mpiasa fitsaboana sy ny fahombiazan’izany. Miezaka miantoka ny kalitaon’ny fitsaboana omena ny mpiasa mpikambana rahateo ny Smid.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.