Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Tsy voahaja ny fifanarahana: nesorin’ny Caf ny handraisan’i Kameronina ny “Can 2019”

Kitra – Tsy voahaja ny fifanarahana: nesorin’ny Caf ny handraisan’i Kameronina ny “Can 2019”

Nangidy ary tena tsy levon’ny vavonin’ny vahoaka kameroney, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra “Caf”, tamin’ny fanesorana ny fampiantranoana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, teo am-pelan-tanan’izy ireo.

Samy naneho ny alahelony sy ny hatezerany avokoa ireo vahoaka kameroney, vao nandre ity fanapahan-kevitra ity. Tao ny nanambara fa efa tsy fitiavana azy ireo mihitsy ny antony. Ny sasany indray nitoreo fa tena fanaovana tsinontsinona an’i Kameronina, firenena goavana sy manana ny lazany amin’ny baolina kitra izao, ary raisin’izy ireo ho famotehana azy, tanteraka.

Tetsy an-kilany, nanambara i Ahmad, filohan’ny Caf fa anisan’ireo olona tena nanohana an’i Kameronina, handray ity “Can 2019” ity ny tenany, saingy noho ny zava-misy, tsy afaka ny hitazam-potsiny izy satria ny fotoana mandeha.

Betsaka ireo antony. Eo  ny tsy fanajana ny bokin’andraikitra sy ny fepetra rehetra mifanaraka hanatontosana ny asa, napetraka tamin’ireo tomponandraikim-panjakana, kamerone. Tsy misy fivoarany ny asa fanamboarana sy ny fikarakarana, taorian’ny fijerena ny sary, mahakasika izany.

Vokatr’izany, voatery noesorina tamin’i Kameronina, ny fandraisana ny “Can 2019”. Manao antso vaovao ho an’ireo firenena vonona hampiantrano izany, ny Caf. Hatreto aloha, tsara toerana handray izany, i Maraoka efa manana ny fotodrafitrasa mifanaraka amin’izany. Mbola hiady ny handray izany koa anefa i Afrika Atsimo. Ho fantatra mialoha ny faran’ity taona 2018 ity, izay tena hanaovana ny “Can 2019”.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.