Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitiliana ny VIH/Sida: 10% n-ny olona mitondra ny tsimokaretina no mahafantatra

Fitiliana ny VIH/Sida: 10% n-ny olona mitondra ny tsimokaretina no mahafantatra

Ny taona 2017, nahatratra 9 tapitrisa mahery kely maneran-tany ny olona nitondra ny tsimokaretina VIH/Sida nefa tsy nahafantatra izany toe-pahasalamana izany akory. Eto Madagasikara, 10%  ihany amin’ny olona vinavinaina fa miaina miaraka amin’ny tsimokaretina no mahafantatra fa mitondra izany taorian’ny fitiliana nataony . Ny ambiny, vokatry ny tsy fahafantarana, tsy mazoto manao fitiliana na tsy mahalala ny maha-zava-dehibe izany. Natokan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana miady amin’ny tsimokaretina VIH/Sida ho fanentanana ny daholobe ahafantantra ny toe-pahasalamana, ny 1 desambra, Andro natokana iadiana amin’ny tsimokaretina, maneran-tany. 30 taona no nanamarihana ny Andro ary natao ahatsiarovana manokana ireo olona marobe namoy ny ainy noho ny tsy fahalalany na koa tsy fahazoany fitsaboana sy fanafody. « Fantaro ny toe-pahasalamanao, mitondra ny tsimokaretina ve ianao na tsia ? » ny lohahevitra nitondrana ny fanentanana. Tokony hiompana amin’ny fandresen-dahatra ny olona hanao fitiliana ny asa amin’ny ho avy.

Nanome ohatra ary nanao fitiliana ny filoham-panjakana, Rakotovao Rivo, ny asabotsy lasa teo teny Iavoloha tao anatin’ny fanamarihana ny 1 desambra. Tokony ialana koa ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana ireo olona mitondra ny tsimokaretina handresena ny tsimokaretina, hoy ny nambarany.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.