Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

 63 taona CBT: hisy ny lalao amin’ny alina

 63 taona CBT: hisy ny lalao amin’ny alina

Mitohy ary tsy hifarana raha tsy ny faran’ity volana desambra ity ny fifaninanana “Open”, taranja tsipy kanetibe, ho fankalazana ny faha-63 taona ny CBT (Club des Boulistes de Tananarive). Toy ny mahazatra, misy hatrany ny lalao isaky ny faran’ny herinandro eny amin’ny kianja filalaovana eny Mahamasina ary hiavaka kokoa ny amin’ity herinandro ity. Hisy mantsy ny lalao hatao amin’ny alina izay zava-baovao tokoa ho an’ny CBT. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fifaninanana izany ary ezaka ho fanatsarana ny foto-drafitrasa ihany koa amin’ny alalan’ny fametahana jiro ao amin’ny faritry ny toeram-pilalaovana, raha ny fanazavana nentin’ny filohan’ny CBT, Raheriniaina Yves. Ny zoma alina izao no hisantarana ity lalao amin’ny alina ity ka haharitra mandra-maraina mihitsy ny fifaninanana.

Raha hiverenana ny voka-dalao, nomontsanin’ny ekipan’i Hasina sy Daddy tamin’ny isa 13 no ho 12 ny tarik’i Tsiresy sy i Kola, omaly alahady. Nafana vay ny ady teo amin’ireto mpifanandrina ireto hatramin’ny fiafaran’ny lalao. Ho fankasitrahana azy ireo, notolorana lelavola 1 200 000 ariary ny mpandresy. Fankasitrahana izay avy amin’ny mpiara-miombona antoka amin’ny klioba.

Marihina fa miezaka hatrany ny CBT amin’ny fanohanana ireo mpilalao mpandray anjara amin’ity fifaninanana ity.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.