Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Operation Manda 2018”: basy mahery vaika marobe saron’ny Tafika

“Operation Manda 2018”: basy mahery vaika marobe saron’ny Tafika

Ho tohin’ny ezaka efa vita hamerenana ny fandriampahalemana manerana ny Nosy, nanao hetsika fampandriana fahalemana ny eo anivon’ny Tafika malagasy. Tao anatin’ny 20 andro no nanatanteraka hetsika “Opération Manda 2018” ny eo anivon’ny Tafika Malagasy. Maro ny antony nahatonga izao hetsika fandraisana andraikitra eo anivon’ny Tafika malagasy ka isan’izany ny fanatsarana ny fandriampahalemana sy famongorana ny asan’ireo olon-dratsy izay misy fiantraikany amin’ny toekarenan’ny firenena. Nizara roa miavaka tsara ny toerana nanatanterahana izany fampandriana fahalemana eny anivon’ny tontolo ambanivohitra tamin’ny alalan’ity “Hetsika Manda 2018” ity. Voalohany ny faritra eo anelanelan’Ankazomborona (Marovoay), ny ao Mandritsara, ny any Amboasary Gara, ny any Fenoarivobe. Ny faharoa kosa niitatra hatrany Miandrivazo, Betafo, Ankaramena ary Beroroha. Tanjona napetraky ny Tafika malagasy nandritra ity hetsika ny fanafoanana ireo asan-dahalo ao anatin’ny faritra voafaritra. Tao Ambatofinandrahana, basim-borona miisa valo no azon’ireo tafika nanao “opération” raha basy Mas 36 iray miaraka amin’ny bala kosa ny tratra tao Brieville, ny 27 novambra 2018 teo. Ankoatra ireo koa fitaovam-piadiana marobe tratra tany amin’ny faritra hafa. Nambaran’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny Tafika fa miisa 17 ireo miaramila namoy ny ainy ny taona 2017. Teo koa ny hetsika manokana momba ny fandravana ireo tambajotra mpaka an-keriny, toy ny tao Marotsipohy. Mitohy hatrany, araka izany, ity hetsika “Manda 2018” ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.