Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra afrikanina: hifaninana amin’ny “Glo Caf Award 2018” i Faneva Ima

Kitra afrikanina: hifaninana amin’ny “Glo Caf Award 2018” i Faneva Ima

Ao anatin’ny fifantenana ho mpilalao sy mpanazatra ary ekipa mendrika sy nahavita be, amin’izao fotoana izao, ny Kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf). Anisan’ny hiady izay ho mpilalao mendrika aty Afrika i Faneva Ima.

Tafiditra ao anatin’ireo hosafidina eo amin’ny fiadiana ny “Glo Caf award 2018” na ireo mendrika aty Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra ny Barea de Madagascar. Anaram-boninahitra telo ny indray hiadiany amin’izany.

Voalohany amin’izany, hifaninana ho mpilalao mendrika Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea de Madagascar. Raha tsiahivina, anisan’ny naharesy lahatra ny rehetra ka nahatafiditra azy ho ao anaty lisitra hofidina izao ny nahafatesany baolina hatrany teo amin’ny fifanintsanana, niadiana toerana ho amin’ny “Can 2019”. 34 taona ny lehilahy ankehitriny, ary lohalaharana ao amin’ny Clermont Foot, “ligue 2” any Frantsa.

Miisa 34 mirahalahy izy ireo no hiady ity ho mpilalao mendrika amin’ny “Glo caf award 2018” ity. Anisan’izany ilay Egyptianina, i Mohamed Salah, milalao ao amin’ny Liverpool. Misongadina koa ity Egyptianina ity eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Angletera, noho ny fahaizany mamono baolina. Mbola hifampitana amin’i Faneva Ima koa ilay Senegaley, i Sadio Mané, lohalaharan’ny Liverpool. Mpilalao efa diso fantatry ny Malagasy sy ny Barea tsara izy. Mbola hikatroka amin’ny Barea izy eo amin’ny andro farany amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Can 2019”.

Ankoatra izay, hifaninanana ny ho mpanazatra mendrika koa i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Nahavita dingana goavana ihany koa izy satria hatramin’izay nitondrany ny Barea, indroa ihany no tojo faharesena.

Farany, hiady ny amboara ho an’ny ekipa nahavita ezaka be, tamin’ity taona ity, ny Barea de Madagascar. Tsara toerana tokoa ny Barea handrombaka azy ity satria nampiaiky ireo teknisianina rehetra ny zava-bitany sy ny filaharana misy azy eo amin’ny Fifa.

Hotanterahina ny 8 janoary 2019 ao Abidjan, Côte d’Ivoire, ny fizarana ny loka ho an’ity “Glo Caf award 2018” ity.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.