Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampitahan’ ny “Emergence” ny IEM sy ny Map II: “Aoka hampiakarina ny lentan’ny adihevitra hatao”

Fampitahan’ ny “Emergence” ny IEM sy ny Map II: “Aoka hampiakarina ny lentan’ny adihevitra hatao”

Nanazava ny fomba fijeriny amin’ny fomba mahitsy ny vina sy ny fandaharanasan’ny kandidà roa: Ravalomanana sy Rajoelina, ny eo anivon’ny Emergence Madagascar, tarihin-dRaboanarijaona Olijaona, omaly tetsy Antaninarenina. Niantso ny rehetra anefa ny tenany, indrindra ireo tsy nandatsa-bato tamin’ny fihodinana voalohany, mba hifidy mazava ny fandaharanasa hita fa mahasoa ny firenena sy ny vahoaka ary hampiakatra ny fari-piainan’ny Malagasy manontolo. Eo koa ny antsony ho an’ireo mpitarika politika sy mpanohana hanabe ny mpikatroka ao aminy ahafahana mametraka adihevitra miompana amin’ny fandaharanasa. “Hiakaran’ny adihevitra mandritra ny propagandy ary hialana amin’ny fifampihantsiana tsy mitondra voka-tsoa ho an’ny firenena”, hoy izy. Nanteriny fa ho an’ny tombontsoan’ny firenena sy ny hoavin’ny taranaka izany.

Nitondrany fampitahana ny vinan’ny kandidà laharana faha-13 sy ny laharana faha-25 ao amin’ny IEM sy ny Map II, eo amin’ny lafiny toekarena sy ny fihariana. Ny sandam-bola sy ny indostria. Eo koa ny fandraharahana sy ny indostria ary ny fifandraisana iraisam-pirenena…

Synèse R. 

 

Les commentaires sont fermées.