Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Etech: misy ny « logiciel » manokana ho an’ny orinasa

Etech: misy ny « logiciel » manokana ho an’ny orinasa

400 ny injeniera malagasy mikirakira ny sehatry ny tetikasa nomerika mivondrona ao amin’ny  orinasa etech.

Mamorona logiciel manokana arakaraka ny filan’ny orinasa malagasy sy vahiny mpanjifa ary mifandraika amin’ny zava-misy amin’ilay firenena izy ireo. 80%-n’ny orinasa mpanjifa ivelan’ i Madagasikara (Afrika Atsimo, Maorisy…) fa ny 20% kosa eto an-toerana avokoa. Tombontsoa amin’ny fanjifana ny logiciel manokana vokarin’ny etech ny fahafahan’ny manampahaizana midina eny ifotony mijery ny olana raha mitranga izany. Betsaka ny logiciel misy sy azo kirakiraina fa tsy mamaly ny filan’ny orinasa rehetra, araka ny fanazavan’ny tale iray ao amin’ny etech, Razafindramalo Tahina, omaly teny Antaninarenina. Saika manatona ny etech avokoa ny orinasa lehibe misahana sehatra misandrahaka ka mila logiciel manokana manampy azy amin’ny fitantanana (Star, Socolait…) Tanjon’ny orinasa rahateo ny fampiroboroboana ny tetikasa nomerika. Miasa eto Madagasikara, Paris ary Maraoka ny etech ao amin’ny vondrona Arke Up.

Ho fanatsarana ny tolotra omen’ny etech, nampahafantatra ny fiaraha-miasa amin’ny google ny tomponandraikitra omaly. Afaka mitahiry sy mitantana ny application sy ny logiciel avy amin’ireo orinasa ny google amin’ny sarany zakan’ny tompon’ny orinasa. Nandritra ny tontolo andro ny fifampizarana momba ny google cloud. Nisy manampahaizana manokana Lionel Touati nitafa mivantana amin’ny mpandray anjara amin’ny alalan’ny vidéo conférence.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.