Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

EBDM: mihatsara ny fikarakarana ny fitsarana amin’ny varotra

EBDM: mihatsara ny fikarakarana ny fitsarana amin’ny varotra

Firenena faha-61 amin’ny 190! Nivoatra kely ny laharan’i Madagasikara amin’ny fandraharahana, Doing Business 2019, raha oharina ny taona 2018, faha-162 amin’ny firenena 190. Maro ny fepetra jerena andaharana ny firenena tsirairay ka nahatratrat 128 ny singa nohavaozina ny taona 2018, nahatonga io laharana io. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny famoronana orinasa sy ny fampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara (EDBM), nilaza ny tale jeneraliny, Ravalomanda Andry, fa tafiditra ao anatin’ny tanjona ny fametrahana lasitra na tontolo mahasarika kokoa ny fampiasam-bola tsy miankina eto an-toerana sy ny vahiny eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny fanamorana sy ny fanafainganana ny dingana samihafa arahina amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ny orinasa. Eo koa ny fanamafisana ny fifampidinihan’ny fanjakana sy ny tsy miankina amin’ny lafiny tontolon’ny fandraharahana.

Mampiasa “logiciel” manokana

Anisan’ny nataon’ny EDBM vaindohan-draharaha manokana ny fitsarana amin’ny varotra, misahana ny famahana ny olana eo amin’ny orinasa sy ny mpanjifany, na ny mpiara-miombon’antoka na ny mpamatsy akora azy. Nilaza ny filohan’ny fitsarana amin’ny varotra Antananarivo, Rtoa Ramandraitsiory Mihary, fa zava-baovao ny fampiasana fitaovana informatika, “logiciel”, mikarakara ny raharaham-pisarana amin’ny varotra. Manamora ny fikirakirana ny raharaha, fantatra avokoa ny antsipirian’ny taratasin’ady samihafa. Mihena koa ny mety hanaovana kolikoly satria tsy fantatry ny manan-draharaha ny mpitsara handray an-tanana ny raharaha. Mihena ny fotoana lanin’ny manan-draharaha satria navondrona ao anaty birao iray ny fikarakarana rehetra, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.