Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Varian-dresaka tamin’ny finday ny mpamily: taxi-be iray nivadika tetsy Soanierana, ampolony naratra

Varian-dresaka tamin’ny finday ny mpamily: taxi-be iray nivadika tetsy Soanierana, ampolony naratra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Soanierana, omaly antoandro. Taxi-be iray zotra F ity nivadika ity fa varian-dresaka tamin’ny telefaonina finday ny mpamily. Ampolony ireo naratra…

Ampolony ireo mpandeha naratra vokatr’ity lozam-pifamoivoizana teny Soanierana ity. Tandrevaka teo amin’ny mpamily no voalaza fa tena antony nahatonga ny loza, araka ny fanazavan’ny  mpandeha iray nahita tsara ny fitrangan’ny loza. “Ny telefaonina finday tsy miala eny amin’ny sofiny mihitsy fa varian-dresaka ilay mpamily nefa ny fiara mandeha mafy ihany”, hoy ny fanazavan’ilay mpandeha. Nitrongy vatobe iray manasaraka ny arabe ilay taxi-be rehefa tsy voafehin’ny mpamily intsony ny familiana vokatry ny fandehanana mafy. Tsy vitan’izay fa mbola nifaoka moto iray telo alohany koa ilay taxi-be. Nivadika teo afovoan’ny arabe avy hatrany ilay fiara taorian’izay. Raikitra ny fifanjevoana tao anaty fiara teo amin’ireo mpandeha. Tezitra tamin’ny fihetsik’ilay mpamily avokoa ny ankamaroan’ireo mpandeha sasany nandeha tamin’ity fiara ity. Ampolony ireo mpandeha naratra tamin’ity lozam-piarakodia ity. Nentina haingana namonjy teny amin’ny hopitaly HJRA avy hatrany ireo naratra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na teo aza ny ratra nahazo ireo mpandeha . Betsaka ireo mpamily taxi-be no tsy manaja ny lalana mifehy ny fifamoivoizana rehefa eo ambony familiana. Tsy lazaina intsony ny ataon’ny sasany sady manakalo vola eny an-dalana. Eo koa ireo variana mandefa radio ka hadino tanteraka hoe ain’olona no eo am-pelatanan’izy ireo. Ny familafilana sy fihodinana tapa-dalana manginy fotsiny.

J.C

Les commentaires sont fermées.