Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mascar: jiolahy roa saron’ny polisy

Mascar: jiolahy roa saron’ny polisy

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Antaninandro teny Mascar Andravoahangy, afakomaly ireto andian-jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana ireto. Araka ny fanazavan’ny polisy, eny amin’ny tsenan’Andravoahangy sy ny manodidina an’i Mascar no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Isaky ny tsenan’Andravoahangy no tena famelezan-dry zalahy sy rehefa harivariva iny eo Mascar. Faritra mena amin’ny asa fanendahana sy sinto-mahery iny faritr’i Mascar sy Andravoahangy iny. Tsy vitsy ireo olona mitaraina amin’ny afitsoky ny mpanendaka sy mpanao sinto-mahery. Niaiky ny heloka vitany ireto jiolahy ireto nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.

J.C

Les commentaires sont fermées.