Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Manakara: olona efatra nahatrarana taolam-paty dimy gony

    Manakara: olona efatra nahatrarana taolam-paty dimy gony

    Noraisim-potsiny ireo olona efatra voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanaovana trafikana taolam-paty tao amin’ny fokontany Sasinaka, distrikan’i Mananjary, ny talata lasa teo. Nandritra ny hetsika sy ny fisafoana nataon’ny zandary any an-toerana toy ny mahazatra no nahatrarana ireto jiolahy mpanao trafikana taolam-paty ireto. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny taolam-paty dimy gony. Taolan-dava avokoa ny ankamaroan’ireto taolam-paty marobe tratra ireto. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Nogiazana avy hatrany ireto taolana tratra ireto. Nanao antso avo kosa ny zandary ho an’ireo olona manana fasana vaky na koa manana razana very hanamarina  avy hatrany eny anivon’ny fokontany ao Ampasimanjeva sy Sasinaka, Manakara. Voalaza fa tao amin’ireo fokontany ireo no nangalaran’ireo jiolahy ireto taolam-paty ireto, raha ny fanazavan’izy ireo hatrany tamin’ny famotoran’ny zandary. Naiditra am-ponja avy hatrany kosa ireto mpangalatra taolam-paty ireto taorian’ny fanolorana azy ireo teny anivon’ny fampanoavana.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.