Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Tompondakan’i Eoropa: mamiratra ny ekipan’ny Barcelone

Tontosa ny talata alina sy ny alarobia lasa teo ny andro fahadimy amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra. Hatreto, ekipa 12 no efa fantatra fa hiatrika ny lalao ampahavalon-dalana. Anisan’izany ny ekipan’ny Barcelone izay nanamarika isa ambony mihoatra amin’ireo ekipa hafa. Ity farany izay nahazo ny tapakila voalohany hihazo amin’ny dingana manaraka ary mitarika ao amin’ny vondrona B, manana isa 10. Raha hiverenana ny lalao izay nataony, nolavoiny tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Psv Eindhoven.

Ankoatra izay, raha jerena ny valin-dalao hafa, nisongadina ihany koa ny ekipan’ny Porto rehefa avy nifandona tamin’ny Schalke ka nibata ny fandresena tamin’ny isa 3 no ho 1. Mbola voatazon’ny Real Madrid ihany koa ny maha izy azy tamin’izao lalao fifanintsanana izao ka nolavoiny mora foana tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipan’ny Roma. Manampy ireo ekipa 3 tafakatra amin’ny ampahavalon-dalana ireo, ekipa 9 hafa ihany koa nahazo ny tapakila, ny talata sy alarobia lasa teo, dia ny Ajax Amsterdam, Atlético Madrid, Bayern Munich, Borussia Dortmund, Juventus, Manchester City, Manchester United, AS Roma, ary ny Schalke. Tapakila 4 sisa, araka izany, no hiadian’ny ekipa hifanandrina amin’ny andro fahenina izay hotanterahina ny faha-11 sy faha-12 ny volana desambra izao. Hangotraka tokoa ny amin’io indrindra, ao amin’ny vondrona C , hahitana ny ekipa misy an’i Neymar. Ity ekipa  ity izay vao avy nandavo ny Liverpool tamin’ny isa 2-1, ny alarobia lasa teo. Eo amin’ny laharana faharoa amin’izao no misy ny Psg ary manana isa 8 izy hatreto. Antenaina anefa fa ho tafavoaka ity klioba ity satria ny Etoile Rouge no hifanandrina aminy izay mety tsy dia hanano sarotra ny handavoana azy.

 

Mi.Raz

 

Voka-dalao ny alarobia 28 novambra:

Altélico 2-0 Monaco Lokomotiv

Moskva 2-0 Galatasaray

Dorthmund 0-0 Club Bruggee

Tottenham 1-0 Internazionale

Psv Eindhoven 1-2 Barcelone

Napoli 3-1 Crvena Zvezda

Paris 2-1 Liverpool

Porto 3-1 Schalke

Voka-dalao ny talata 28 novambra:

Aek 0-2 Ajax

Cska Moskva 1-2 Plzen

Bayern 5-1 Benfica

Lyon 2-2 Man City

Hoffenheim 2-3 Shakhtar Danetsk

Roma 0-2 Real Madrid

Juventus 1-0 Valencia

Manchester United 1-0 Young Boys

 

 

 

 

Les commentaires sont fermées.