Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Janoary 2019: hitombo ny tambin-karaman’ny mpiasan’ny fanabeazana

Janoary 2019: hitombo ny tambin-karaman’ny mpiasan’ny fanabeazana

« Tsy tokony hanana ahiahy ny mpampianatra amin’ny ambaratonga rehetra ho an’ny sekolim-panjakana, hitombo manomboka ny volana janoary taona 2019 ny tambin-karaman’izy ireo, araka ny fampanantenana efa nataon’ny fanjakana », hoy ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Rabeson Roland, ny alarobia lasa teo teny Anosy. Hitohy ihany koa ny fandraisana ny mpampianatra ho mpiasam-panjakana ary hokarakaraina ny avancement-ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fanabeazana tokony hisitraka izany. Noho izany, tokony hilamina ny fiatrehana ny taom-pianarana vaovao 2018-2019 satria noezahina ny hijery ny fangatahana rehetra. Efa nisy ny fampidirana ny sorabola 25 000 Ar tamin’ny karama volana oktobra lasa teo. Hisy sora-bola vaovao 25 000 Ar indray horaisin’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fanabeazana manomboka ny volana janoary 2019. Nozaraina telo ny 100 000 Ar efa nambaran’ny fitondrana fa homena, ny volana janoary 2020 ny 50 000 Ar ambiny, araka ny fanazavana azo.

Mitohy ihany koa ny fanatanterahana ny teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana. Nahatsapa ny rehetra fa niova ny tetiandrom-pampianarana ka ny taona 2020, hanomboka ny volana janoary ary hifarana ny volana novambra ny taom-pianarana. « Hianatra aho hanomanako ny hoaviko », ny lohahevitra entina amin’ny fisantarana ny taom-pianarana vaovao any Antsirabe, anio, ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazana.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.