Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: tapitra eo ny fiantso azy amin’ny anarana kopetapetaka

Na Andry Rajoelina na Marc Ravalomanana no Filoha-pirenena manaraka manomboka amin’ny taona ambony, tsy ho lazaina fotsiny hoe inona no maha ratsy fa atao mihintsy hoe tsara raha mba antsoina amin’ny tena anarany izy ireo, ny fanajana an’izany dia fomba entina anaja ny firenena. Mety misy tsy tia ny iray amin’izy ireo na tsy tia an’izy roa lahy mihintsy, tsy manakana izany ny fahatongavan’ny iray amin’izy ireo ho filohan’ny Malagasy tsy ankanavaka. Vita eo izany Zandrikely sy Dada izany na Boay kely sy Rakotofotsy-kotofetsy sy ny anarambositra karazany hafa, samy olona manana ny maha izy azy sady olona nomen’ny olona telo mahery amin’ny mpifidy folo fitokisana dieny ny fihodinana voalohany. Tsy misy andranoandrano koa na resa-pihavanana, aleo azava ny raharaha, na lazaina hoe fifaninanana masina no atrehana firafesan’ny mpifanandrana no hiseho, ny adidy iandrandrainy no manana ny hasiny. Na eo aza ny elanelan-taona eto amin’ny fifaninanana tsy ray sy zanaka fa zoky sy zandry ny fomba fijery azy. Na tsy maintsy eo aza ny fifanajana mifamaly eo amin’izy miralahy toy ny olona tsara taiza rehetra, tsy mitombona ny fifanaovany ray sy zanaka, olona mifaninana toy ny mpirafy izao. Nifanaiky moa ny fiarahamonina anome an’izay Filoha ny anaram-boninahitra raiamandreny, fomba nentin-drazana ihany izany fanomezana ho fanomezana haja ho an’ny mpitantana rehetra, tazana izany any na hatrany amin’ny vondrona sy fikambanana rehetra. Misy sedrany izany fa tsy mandeha an’ila, ny famendrehan’izay omena an’izany anaram-boninahitra izany. Eto amin’ny Repoblika eo ny fanjakana ao anatin’izany ny fananam-pahefana. Na ny fahefana aza mbola voatsinjara arakaraky ny sokajy sy ambaratonga avokoa ary manaraka ny famaritry ny lalàna azy. Izany hoe tsy misy ny tsy refesi-mandidy afaka manao an’izay fantany na izay maharavoravo ny sainy. Maro ny fanomezana toky teo amin’ny fotoana fampielezan-kevitra, ny fanatanterahana an’izy ireny anefa mbola miankina avokoa amin’ny fanajana an’ireo fitsipika efa mipetraka.

Mety hirona any amin’ny fifanaratsina ny mpifaninana ny fomba fandresen-dahatra, mety tsy ho sodoka an’izany anefa ny mpifidy fa mila fanazavana bebe kokoa andinihany lalindalina ny fomba ahafahana manatanteraka an’ireo tetik’asa aderaderan’ny mpilatsaka. Maromaro any ho any ireo tsy mbola tsy manan-kevitra mazava eo amin’ny safidiny ka na tamin’ny fihodinana voalohany aza dia tsy nanana fahavononana tamin’ny fandatsaham-bato.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.