Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Handball – CCOI: miroso hatrany ny THBC

Handball – CCOI: miroso hatrany ny THBC

Tsara ny vokatra ho an’ny ekipan’ny THBC vehivavy, nandritra ny lalao, omaly, tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Tsy ampy nandihizan’ity ekipa malagasy ity ny ekipan’ny Cap Sister avy any Seychelle ary nolavoiny tamin’ny isa mavesatra 23 no ho 9. Mazava, araka izany, ny lalana ho an’ny THBC, amin’ny fiakarana amin’ny dingana manaraka.

Resin’ny ekipan’ny Tamponnaise avy any La Réunion kosa ny AS Tsiky rehefa avy niady mafy. Nifampitana hatrany am-panombohan’ny lalao ireto ekipa roa ireto, saingy noverezin’ny Renioney tamin’ny isa 22 no ho 17 ny ekipa malagasy, tamin’ny ora farany.

Fandresena faharoa azon’i Madagasikara ny lalao nifanandrinan’ny AS Saint Michel sy ny Saint Pierre HBC, Renioney, teo amin’ny sokajy lehilahy izay nahazoan’ny ekipa malagasy ny isa 33 no ho 29.

Mbola hitohy ho amin’ny anio ity fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe indianina amin’ny taranja hand ball ity ary hiroso amin’ny lalao fiadian-toerana ireo ekipa tsirairay. Rahampitso, asabotsy kosa no hanaovana ny lalao famaranana.

 

Mi.Raz

 

Valin-dalao omaly, alakamisy

Vehivavy :

AS TSIKY (MAD) 17 – 22 TAMPONNAISE (REU)
CAP SISTER (SEY) 9 – 23 THBC (MAD)
JSB (REU) 25 – 34 PC BOUENI (MAY)

Lehilahy :
CHATEAU MORANGE (REU) 25 – 25 ASC TSINGONI (MAY)
AS SAINT MICHEL (MAD) 33 – 29  ST PIERRE HBC (REU)

Les commentaires sont fermées.