Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hampihaonin’ny CFM  Rajoelina sy Ravalomanana  

Hampihaonin’ny CFM  Rajoelina sy Ravalomanana  

“Isaorana ireo kandidà sy ny mpomba azy avy nitandro toy ny anakandriamaso ny fitoniana. Efa ao anatin’ny fanatonana ireo kandidà izahay izao. Mangataka fihaonana aminy, hifampiresahana hisian’ny fitoniana. Ezahinay mba hifampiresaka izy ireo.” hoy ny filohan’ny CFM, Maka Alphonse, teny Ambohidahy, afakomaly.

Didy no navoakan’ny HCC tamin’ny voka-pifidianana ofisialy. Ny dikan’izany, miara-manaiky an’iny isika raha tany tan-dalàna. Na izany na tsy izany, araka ny voalazan’ny HCC: maro ireo tsy fahatomombanana tamin’ny fanomanana iny fifidianana iny. Koa tsy azo odian-tsy hita izay ho an’ny rafi-panjakana, ny Ceni, manomana ny fifidianana: hisintona lesona tamin’iny fihodinana voalohany iny.

Mba hanarenana ny tsy mety izany: ny amin’ireo kara-pifidianana tsy mbola voazara, ohatra. Azo sorohina tanteraka ny izany. Tsy azo kitihina kosa ny lisi-pifidianana na misy aza ny fanavaozana isan-taona, manomboka ny 1 desambra izao ka hatramin’ny 15 mey 2019.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.