Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Hisintona eo amin’ny tontolo politika i Onitiana Realy. Tsy voafetra ny fotoana hiatoany nefa na izany aza, voalaza fa hiompana misimisy kokoa eo amin’ny sehatry ny sosialy sy ny serasera ny tenany manomboka izao, araka ny nambarany. Tsiahivina fa minisitry ny Mponina fony fitondrana Rajaonarimampianina ity mpanao gazety  ity. Nitana ny talen’ny fampielezan-kevitry ny kandidàn’ny HVM tamin’ny fifidianana farany teo.

Hangina kely eo amin’ny tontolo politika koa Ratsiraka Iarovana Roland. Nambarany tamin’ny mpanao gazety tao Toamasina, ny herinandro teo izany. “Handini-tena kely aloha aho”, hoy izy. Anisan’ireo kandidà 6 voalohany ny tenany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013. Nilatsaka be, nahazo 0, anefa izy tamin’ity indray mandeha ity. Voalazan’ireo mpikambana MTS fa mety hirotsaka hofidina eny ifotony indray ny tenany.

 

Les commentaires sont fermées.