Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Ambatonamelankafatra »: Ambohipihaonan’ny tantara an-tsary

« Ambatonamelankafatra »: Ambohipihaonan’ny tantara an-tsary

Ambohimpihaonan’ny mpitia sy mpiangaly tantara an-tsary ny etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Hatramin’ny 5 desambra izao, tontosaina eny an-toerana ny « Ambatonamelankafatra » na ilay fampirantiana sy atrikasa arahina fifanakalozan-kevitra, sns, momba ny tantara an-tsary malagasy. Anisan’ny nisongadina eny an-toerana ny nampahatsiahivan’ny mpikarakara ny toerana nisy ny tantara an-tsary teo amin’ny fiarahamonina sy ny fotoana nampiroborobo azy fatratra.

Taona 1980, nahatratra 30 isam-bolana ny tantara an-tsary nivoaka. Ny iray amin’ireo anefa namoahana boky marobe, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra hatrany. Anisan’izany ny « Benandro » sy ny « Koditra ». Misy aza ireo mbola tsy mivoaka akory kanefa efa hanaovan’ny mpamaky famandrihana sahady.

Tao anatin’ny taona maro anefa, tsy mitsaha-mitotongana sy miha sahirana hatrany ny tontolon’ny tantara an-tsary malagasy. Antony iray goavana nahatonga izany ny fihenan’ny sandam-bola malagasy.

Marihina anefa fa mora hampitam-pahalalana ny tantara an-tsary. Azo atao tsara ny manabe sy mampianatra ny ankizy sy ny tanora amin’ny alalan’ny tantara an-tsary.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.