Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambalavao: trano dimy indray notafihin’ny jiolahy

Tokantrano dimy indray notafihin’ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambalavao, distrikan’Atsimondrano, ny alarobia alina teo. Nanapoapoaka basy, tsy nisy toy izany, ireo jiolahy nandritra ny fanafihana nataon’izy ireo tao amin’ny fokontany Antamboho sy Ambohidahy samy ao amin’ny kaominina Ambalavao. Nihorohoro tanteraka ireo mponina tao an-tanàna naheno ny poa-basin’ireo jiolahy. Tsy nisy sahy nihetsika na nanohitra ny olona raha vantany vao nandre ny feom-basy. Nanararaotra nanao ny asa ratsiny ireo jiolahy, tamin’io fotoana io, niditra an-keriny tao amin’ireo tokantrano niharan’ny fanafihana. Fantatra, araka ny loharanom-baovao voaray hatrany fa tokantrano efatra no voatafika tao Antamboho raha iray kosa tao Ambohidahy. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny entana sarobidy niampy vola tao amin’ireo tokantrano ireo. Nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy raha vantany vao nahazo izay notadiaviny. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana sy nanenjika ireo jiolahy ny zandary, saingy efa tafaporitsaka izy ireo. Mitohy, araka izany, ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto.

J.C

Les commentaires sont fermées.