Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Aleo hilamina…

Aleo hilamina…

Aoka ho tony… Aleo hilamina. Zary heno amin’ny fanehoan-kevitra tato ho ato izany. Tena marina satria efa tokony hifantoka amin’ny tohin’ny raharaha indray isika manomboka eto. Nahavita ny anjarany sy ny adidiny amin’ny  dingana voalohany ny eny Alarobia sy ny tetsy Ambohidahy tamin’ny namoahana ny voka-pifidianana. Efa hita ny lesoka sy ny tsy nety. Tahaka izany koa ny mpifanandrina roa tonta. Samy nanana ny mety ho tsy fahombiazany tamin’ny lafiny sasany, na koa nahita ny lesoka teo aminy sy ny ekipany tamin’iny fihodinana voalohany iny. Samy nahay naka lesona avokoa ny rehetra, mialoha indrindra amin’izao hidirana amin’ny fihodinana faharoa izao. Efa fantatra ireo mpifaninana roa hiatrika izany. Samy manana ny andraisany sy ny filazany ary koa ny fahitana azy ireo ny tsirairay.  Hotsarain’ny vahoaka izy ireo amin’ny 19 desambra izao. Hirariana mba ho lalao madio sy mangarahara izany. Tena ain-dehiben’ny firenena ity indray mandeha ity satria ho tompon’ny teny farany ny vahoaka. Fotoana izao hanokafana ny saina amam-panahy handinihana ny safidy matotra sy safidy voahevitra, hiantoka ny dimy taona manaraka. Ilaina ny fahatongavan’ny rehetra saina. Mila mailo sy mitandrina koa anefa na izany aza manoloana ny fihetsika sy ny fifanaratsiana ary fifampihantsiana samihafa. Tsy ho entanim-po sy ho mora sendaotra be ihany manoloana ny fifandrangitana eny an-tsefantsefany eny. Aoka ho mailo satria mety handrehitra ny trano manontolo ny pitik’afo kely monja tsy voatandrina. Hiteraka fifandonana sy savorovoro izany amin’izao kihon-dalana lalovan’ny firenena izao. Tsy fotoan’ny fambolena korontana na handrangarangana adim-poko intsony izao. Efa nazava ny nambaran’ny etsy Ambohidahy momba izany. Zaran’ireo efa tsy nankasitraka ny fifidianana aza mantsy tonga amin’izany isika ka hakorainy avy eo. Mba ho filoha voafidy tao anatin’ny filaminana sy fitoniana no hipetraka eo. Koa aoka isika handinika sy hieritreritra ary handanjalana raha tena hijery ny ho avy sy ny ampitson’ny taranaka…  Aoka ho tony ary aleo hilamina.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.