Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Voaantso teny amin’ny Bianco indray Rajaonah Mbola

Voaantso teny amin’ny Bianco indray Rajaonah Mbola

Tsy mbola nifarana eo.Voaantso faninefany teny amin’ny Bianco Ambohibao indray i Rajaonah Mbola, omaly. Anton’izany ny tsy mbola nanokafana ilay “coffre” tao an-tranony eny Ambohimahitsy noho ny tsy naha teo an-toerana azy mivady. Natao “scellé”, nomarihin’ny Bianco ho tsy azo nosokafana izany tamin’ny fisavana ny 22 novambra teo. Niverina teny an-toerana tamin’izao fiantsoana manaraka izao izy ireo niaraka amin’ny Bianco ary izao namaha sy nanokatra ity vata fitahirizana ity. Tsiahivina fa efa nohadihadiana indroa miantoana teny amin’ny Bianco ity mpanolontsain’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina, ity. Nitohy tamin’ny fisavana ny tranony sy ny birao fiasany etsy Antsahabe izany ary izao niverenana nijerena ilay “coffre” izao indray.

Efa nanambara ny eo anivon’ny Bianco fa tsy misy ifandraisany amin’ny resaka politika izao raharaha izao fa efa tohin’ny fanadihadiana nanomboka ny volana jolay 2017 tany Toamasina noho ity mpandraharaha ity ahina ho voarohirohy amin’ny resaka kolikoly. Mbola tohin’izany avokoa izao fampiantsoana sy fisavana ataon’ny eny Ambohibao izao.

Randria

Les commentaires sont fermées.