Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahajanga: teratany karana iray maty voatifitry ny jiolahy

Mahajanga: teratany karana iray maty voatifitry ny jiolahy

Maty voatifitra nandritra ny fanafihan-jiolahy tao Mahajanga, ny talata alina teo, ilay teratany karana mpandraharaha antsoina hoe Nassim Goulzaraly…

Mitondra faisana hatrany ny teratany karana tato ho ato. Raha tsy misy maka an-keriny, izao indray iharan’ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana. Maty notifirin’ny jiolahy koa mantsy i Nassim Goulzaraly, teratany karana mpandraharaha momba ny fivarotana fiara sy fitaterana mpianatra ao Mahajanga. Araka ny loharanom-baovao voaray, ny talata alina tamin’ny 8 ora no nitranga ity fanafihana ity. Teo akaikin’ny fivarotana iray ao Mahajanga be no nitranga ilay izany raha teny an-dalana hamonjy fodiana ity teratany karana ity. Nirefotra ny poa-basy ka nitambotsotra niaraka tamin’izay teny ambony moto izy. Lasan’ireo jiolahy ny baoritra nisy vola sy telefaonina finday tany aminy. Noheverin’ireo jiolahy fa misy volabe ity baoritra nentiny iny, saingy vola 4 hetsy Ar ihany ny tany aminy tamin’io fotoana io. Nentina haingana namonjy ny hopitalin’Androva izy, saingy tsy avotra intsony ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra. Niezaka nifanenjika tamin’ireo jiolahy ihany ny polisy iray miambina banky tsy lavitra ilay toerana nitrangan’ny fanafihana. Tsy tratra intsony kosa anefa ireo olon-dratsy. Hita teny an-toerana ny vodim-bala iray nampiasain’ireo jiolahy. Mitohy ny famotorana.

J.C

Les commentaires sont fermées.