Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Tompondakan’i Afrika: voatazon’ny FC Platinum 1 sy 1 ny Cnaps Sport  

Kitra – Tompondakan’i Afrika: voatazon’ny FC Platinum 1 sy 1 ny Cnaps Sport   

 

Ratsy ny vokatra ho an’ny Cnaps Sport, teo amin’ny lalao mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue des champions”. Fihaonana, notanterahina teny Vontovorona, omaly alarobia. Voatazon’ny FC Platinum Zimbaboe, tamin’ny isa 1 no ho 1, mantsy ity ekipa tompondakan’i Madagasikara ity. Tamin’ny ankapobeny, nofehezin’ny Cnaps Sport ny fihaonana. Nanantombo teo amin’ny fanafihana izy ireo, saingy lesoka ny famonoam-baolina. Na izany aza, nisy ihany ny baolina matin’ny Malagasy teo amin’ny fidirana voalohany, saingy nolavin’ny mpitsara fa voalaza ho “hors jeu”.

0 no ho 0 ny nentin’ny roa tonta niala sasatra. Mbola nitohy kosa ny fanafihan’ny Cnaps Sport, teo amin’ny 45 mn faharoa. Nahitam-bokany izany, taorian’ny fitapitaka nataon’i Lalaina, tamin’ireo vodilaharana zimbaboeanina izay voatery namingana azy tao anaty faritra tsy azo ivalozana, teo amin’ny minitra faha-62. Nahazo “penalty” ny Malagasy taorian’izay. Tafiditr’i Ando soa aman-tsara ny dakany, nahavery tanteraka an’i Peterson, mpiandry tsatoby zimbaboeanina. Niserana ihany ny hafalian’ny Cnaps satria nosahalain’ny FC Platinum izany teo amin’ny minitra faha-67, taorian’ny rindran-damina nataon’i Elvis ary nanolotra an’i Madhanaga, namono ny baolina.

Ho sarotra ny lalao miverina ho an’ny Cnaps Sport, hatao ao amin’ny kianja Mandava Stadium, afaka herinandro.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.