Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Handball – «CCOI 2018 »: nitohy ny fahombiazan’ny ekipa malagasy

Handball – «CCOI 2018 »: nitohy ny fahombiazan’ny ekipa malagasy

Niditra, tamin’ny andro fahadimy omaly, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCOI), taranja handball. Fihaonana, tanterahina etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nitohy hatrany ny fahombiazan’ny ekipa malagasy, sokajy vehivavy. Samy nivoaka ho mpandresy avokoa mantsy ny THBC sy ny AS Tsiky. Ny THBC Analamanga, nanilika ny Boueni, tamin’ny isa 20 no ho 15. Natanjaka ary nahay nanafaingana ny lalao ry Domoina sy i Judith, nampian’i Zarinah. Nitarika anisa hatrany izy ireo, na teo amin’ny tapa-potoana voalohany na teo amin’ny fidirana faharoa.

Tamin’ny isa mazava, 33 no ho 21, kosa ny nandavoan’ny AS Tsiky ny JSB. Nipetraka ny traikefa ananan-dry Sainah sy ry Elia. Nanantombo teo amin’ny tanjaka ihany koa ireo mpilalaon’i Mahajanga, tamin’ity. Mbola mitarika hatrany kosa ny Tamponnaise, eo amin’ity sokajy vehivavy ity, nanamontsana tamin’ny isa mavesatra, 32 no ho 5, ny Cap Sister avy atsy Seychelles.

Teo amin’ny lehilahy, mbola nanaporofo ny maha andrarezina azy ny Chateau Morange, nanilika ny Vacoas, tamin’ny isa 32 no ho 19. Resin’ny Tsingoni, 33 no ho 23, kosa ny Durantha.

 

Torcelin

Fandaharan-dalao anio :

 

Vehivavy

-10:30 – Tamponnaise # AS Tsiky

-11:45 – Cap Sister Seychelles # THBC

-01:00 – JSB # Boueni

Lehilahy

-02:15 – Château Morange # Tsingoni

-03:30 – Vacoas # Durantha

-05:30 – ASSM # St Pierre

Les commentaires sont fermées.