Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FJKM Ambohidroa: fiderana lehibe amin’ny “Alahadin’ny mpitandrina”

FJKM Ambohidroa: fiderana lehibe amin’ny “Alahadin’ny mpitandrina”

Hanakoako ny fiderana an’Andriamanitra, eny amin’ny FJKM Ambohidroa Antehiroka, ny alahady izao, noho izany fotoana izany natokana ho “Alahadin’ny mpitandrina”. Hiavaka amin’ny fotoana rehetra tokoa io satria hanasana tarika roa mpanao hira filazantsara, samy fanta-daza: ny tarika Laurent Rakotomamonjy sy ny tarika Vonjy.

Hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina ny fotoana, hosantarina amin’ny fotoam-pivavahana lehibe, ao amin’ny fiangonana FJKM Ambohidroa Antehiroka, amin’ny “Alahadin’ny mpitandrina”. Ny tolakandro, manomboka amin’ny 2 ora kosa, ny fampisehoana ara-pilazantsara iarahana amin’ny tarika Laurent Rakotomamonjy sy ny tarika Vonjy.

Araka izany, samy hanao ny hira efa nahalalan’ny maro azy ireo hatramn’izay ny roa tonta amin’io. Nambaran’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny fiangonana  FJKM Ambohibao Antehiroka fa io ny andro iray lehibe hitrotroana am-bavaka ny mpitandrina sy ny ankohonany amin’ny adidy masina iantsorohany. Hanasana ny zanaka am-pielezana miparitaka manerana ny Nosy ity fotoan-dehibe ity.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.