Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiatrehana fifidianana: hametraka ny paikadiny ny MFM

Fiatrehana fifidianana: hametraka ny paikadiny ny MFM

Vonona hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana ny MFM, amin’ny fiarahana amin’ny K25. Hametraka paikady izy ireo amin’izany. “Hampitovy fomba fiasa sy paikady izahay ary hidina any ifotony hijery ny lesoka, indrindra ho an’ireo resin’ny fakam-panahy voavidy vola na voajiriky ny mpanao politika sasany. Hanova sy hanatsara ny fomba fiasa”, hoy ny MFM tetsy Antanimena, omaly. Nohitsin’izy ireo fa anisan’ny naharesy lahatra azy ireo ny kandidà Ravalomanana ny hametrahana fanjakana matanjaka sy hampiorina fandriampahalemana sy filaminana eny anivon’ny fiarahamonina. Eo koa ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny fitadiavana lalam-barotra sy lalam-bola vaovao.  “Mandray anjara ary manaraka marindrano 100% ny antson’ireo MFM manoina ny feom-bahoka avy any amin’ny faritra izahay. Tsipahinay ny baiko midina hafa mivaona amin’ny fitondrana mizotra amin’ny tanjona katsahin’ny MFM amin’ny alalan-dRavalomanana Marc. Lavinay ny hivadika amin’ny vahoaka miara-mizaka ny sarotra aminay”, hoy ihany ny MFM.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.