Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

63 taon’ny CBT: mitohy hatrany ny fankalazana

63 taon’ny CBT: mitohy hatrany ny fankalazana

Miditra amin’ny andro faharoa amin’ny fifaninanana “Doublette equilibrée” ny eo anivon’ny klioba CBT (Club des boulistes de Tananarive), ny asabotsy sy alahady ho avy izao etsy amin’ny toeram-pilalaovana Mahamasina. Natao izao fifaninanana izao hanamarihana ny faha-63 taon’ny CBT ary hampivondronana ihany koa ireo mpilalao tsipy kanetibe, na lahy, na vavy. “Tanjona ny hampiroboroboana ny taranja tsipy kanetibe, eo anivon’ny klioba CBT. Anton’izao lalao izao indrindra izany. Efa vina napetraka nandritra izay 63 taona izay izany”, hoy ny fanazavana nentin-dRaheriniaina Yves, filohan’ny CBT. “Ary ao anatin’izany fifaninanana izany, ezahina hatrany ny haha matihanina, na ny eo amin’ny fitsipika izany, na eo amin’ny fahaizan’ny mpilalao tsirairay”, raha ny fanazavana hatrany.

Raha tsahivina, nisongadina ny ekipan’i Tsialonina sy i Solofo, nandritra ny fifaninanana ny andro voalohany notanterahina ny asabotsy sy alahady lasa teo. Nanao pao-droa ireto farany ary tena nampiseho ny fahaizany tokoa. Lavony tamin’ny isa 13 no ho 7 i Miandritiana sy i Stephano, ary isa 13 no ho 8 kosa ny nandavoan-dry Tsialonina sy i Solofo ny tarik’i Tendry sy i Naivo.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.