Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tetezan’i Bekiraro: jiolahy iray tratra niaraka tamin’ny sabatra  

Tetezan’i Bekiraro: jiolahy iray tratra niaraka tamin’ny sabatra   

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Isotry nandritra fisafoana tanaty fiara teny amin’ny tetezan’i Bekiraro, ny asabotsy 24 novambra 2018 maraina ny jiolahy iray nampiahiahy. Niroso tamin’ny fisavana azy avy hatrany ny polisy ka hita tany aminy ny sabatra lavalela iray. Nentin’ny polisy nanaovana fanadihadiana izy ka nolazainy nandritra ny famotoran’ny polisy fa tsy azy io sabatra lavalela io fa an’olona hamidiny. Natolotra ny fitsarana, afakomaly taorian’ny famotoran’ny polisy ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.

Fa nidoboka am-ponja afakomaly ihany koa ireo jiolahy roa saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Antaninandro teny Ampandrana, ny alahady maraina teo. Somary mailomailo be ihany izy roa lahy ka nahatonga ireo polisy nisambotra azy ireo. Nilaza izy ireo nandritra ny fanadihadian’ny polisy fa avy nifoka rongony, tamin’io fotoana io. Nilaza ny iray fa eny Besarety no fividianany rongony ka 2 000 Ar ny fonosana iray,  mahavita azy ireo mandritra ny tontolo andro.

J.C

Les commentaires sont fermées.