Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Saran-jiro: hampitomboana ny herinaratra avy amin’ny tohodrano

Nampahafantarina, omaly, ny vokatry ny fanadihadiana namolavolana ny Drafitra hampandrosoana ny herinaratra mora vidy (PDMC). Paikady entina hampihenana ny saran-jiro sy hampitomboana ny fahazoan’ny mpanjifa herin-jiro. Anisan’ny hotanterahina ao anatin’ity fandaharanasa ity ny hanitarana sy hampitomboana ny tanjaky ny herinaratra avy amin’ny tohodrano any Volobe Toamasina (120 MW), Antetezambato Ambositra (140 MW) ary Sahofika atsinanan’Antsirabe (129 MW). Raha ny vinavina, ho vita amin’ny taona 2022 ny any Volobe sy Antetezambato ary amin’ny 2024 ny any Sahofika. Mitentina 1,921 tapitrisa euros ireo asa ireo.

Hahazo herinaratra ny 70%

Nambaran’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Rasoloelison Lantoniaina, miainga amin’ity drafitrasa PDMC ity avokoa ny paikady sy ny asa rehetra mikasika ny fampiroboroboana ny sehatry ny herinaratra eto amintsika. Manampy azy rahateo ny fanavaozana ny sata mifehy ny herinaratra. Tanjona, ny hahazoan’ny 70%-n’ny tokantrano malagasy herinaratra amin’ny taona 2030. Tafiditra ao anatin’ny fialan’ny fanjakana tsikelikely manampy vola ny Jirama ihany koa izao paikady izao, manomboka amin’ny taona 2020.

 

Njaka A.

 

Les commentaires sont fermées.