Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Révélation de l’année”: hanolotra seho roa ry Rossito sy Gastick

“Révélation de l’année”: hanolotra seho roa ry Rossito sy Gastick

«Révélation de l’Année». Io ny lohatenin’ny seho roa iarahana amin’i Rossitto sy i Gastick, eto an-dRenivohitra amin’ny fiandohan’io volana Desambra io. Ny voalohany, eny amin’ny Jao’s Pub Ambohipo,  ny asabotsy 1 desambra. Aorian’izay, eny amin’ny Le Glacier Analakely ny fotoana, ny alakamisy 6 desambra.

Samy hanomboka amin’ny 9 ora alina avokoa  ny lanonana amin’ireo hetsika ireo. Mpanakanto anisan’ireo nisondrotra haingana eo amin’ny tontolon’ny mozika mafana i Rossito sy i Gastick. Tafita avy hatrany tany an-tsofin’ny mpihaino, indrindra ny eto an-dRenivohitra, ny mozikan’izy mirahalahy, izay efa manana ny lazany any amin’ny faritra, talohan’izany.

Mikasika ny fampisehoana hotanterahin’izy ireo, nambaran’i Rossito fa hisy fahasamihafana ny zavatra ho hita ao amin’ny  Jao’s Pub sy eny Analakely. Samy manana ny hirany sy ny gadona manavanana azy avy mantsy  izy roa lahy ireo ka samy hanasongadina izany, mandritra ireo seho roa voalohany eto an-dRenivohitra ireo.

Anisan’ny andrasan’ny mpankafy ny fampiaraham-peon’izy mirahalahy. Hanome fahafaham-po izy ireo, amin’izao hetsika izao, araka ny fampanantenana. Tsy ho voafetra ny lanonana fa miankina  amin’ny filàn’ny mpankafy. Hanelanelana ny fampisehoana, eny amin’ny Jao’s Pub ny fanentanan’i DJ Faiheg. Ho an’i Rossitto manokana, an-dalana ny famoahana rindran-tsary vaovao. Hotohizana any amin’ny faritra samihafa kosa ny seho an-tsehatra, amin’ny fiandohan’io taona vaovao io.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.