Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Maroantsetra: nandoro tena ilay rangahy fa tsy nety nody ny vadiny

    Io indray! Namono tena tamin’ny alalan’ny lasantsy ny raim-pianakaviana iray sy ny zanany vao 4 taona monja noho ny disadisa an-tokantrano teo amina mpivady iray tany amin’ny kaominina Ankevoka, distrikan’i Maroantsetra, faritra Analanjirofo, afakomaly. Misy olana hatrany ny tokantranon’izy telo mianaka ireto, araka ny fanazavan’ny mponina any an-toerana. vokany, nisaraka izy mivady ary efa samy manana ny vadiny avy. Taty aoriana anefa, nifampiresaka ihany izy mivady ireto mba hifamerina ary efa nangataka fifonana tamin’ilay ramatoa vadiny izy, saingy tsy nanaiky izany kosa ilay ramatoa vadiny taloha. Tany am-pelatanan’ilay raim-pianakaviana rahateo ny zanak’izy mivady ireto. Tsy fantatra anefa izay nahazo ity raim-pianakaviana ity fa nandoro tena tamin’ny lasantsy izy sy ny zanany. May kilan’ny afo izy mianaka ka ny mponina tao an-tanàna no nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo satria efa kila tanteraka izy mianaka ireto. Nialana nenina teny amin’ny hopitaly ihany, saingy resin’ny fahafatesana izy mianaka. Nahavariana ny olona tamin’ity raharaha ity, efa voasoratr’ilay raim-pianakaviana mialoha izao fahafatesana izao ny feraparan’izy mianaka miaraka tamin’ny taratasy fanaovam-belona an-dramatoa vadiny. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana momba ity raharaha ity ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny dokotera.

    J.C

     

     

    Les commentaires sont fermées.