Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hisorohana ny valanaretina: andro ho an’ny fanadiovana ny zoma izao

    Manoloana firongatry ny valanaretina toy ny pesta sy ny kitrotro, nandray fanapahan-kevitra ny minisiteran’ny Fahasalamana hanokana andro iray isam-bolana hanadiovana. Manomboka ny zoma ho avy izao ny Andro natokana ho an’ny fanadiovana eny amin’ny toeram-piasana isanisany. Hatao isaky ny zoma faran’ny volana ny hetsika ary mandray anjara avokoa ny sampandraharahan’ny minisitera isam-paritra. Misantatra ny minisiteran’ny Fahasalamana fa entanina koa ny minisitera hafa rehetra, ny fikambanana ary ny sehatra tsy miankina hanao izany. Rehefa mirongatra ny valanaretina samihafa, sahirana voalohany amin’ny fandraisana an-tanana ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamana nefa andraikitry ny daholobe ny misoroka ny loto sy manadio ny manodidina azy miainga ao an-tokantrano, araka ny fanazavan’ny tale misahana ny fampiroboroboana ny fahasalamana ao amin‘ny minisitera.

    Hiainga eny amin’ny CSB hatrany amin’ny hopitaly lehibe ny fanadiovana, ny zoma ho avy izao, hanomezana ohatra tsara ny manodidina rehetra. Misy toeram-pitsaboana toy ny any amin’ny faritra Menabe manana fahazarana manadio ny atiny sy ivelan’ny tobim-pahasalamana. Manomboka izao, tokony ho fahazarana ho an’ny rehetra izany. Fisorohana lehibe amin’ny fiparitahan’ny valanaretina ny fanadiovana ankoatra ny fanaovana vaksiny fiarovana eny amin’ny tobim-pahasalamana. « Tontolo madio sy milamina lavitry ny loto sy ny aretina » ny lohahevitry ny hetsika ary anentanana ny mponina rehetra satria samy mahazo tombontsoa avokoa.

    Vonjy           

    Les commentaires sont fermées.