Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: tsy ozona ny tsy fahaizana mamokatra, efa mitsimpona nefa mbola manefa

Fijeriny, na tsy manam-pahaizana momba ny toe-karena aza ny tenany, no entin’ny mpanoratra manampy eo amin’ny fiaraha-mandinika.

Tsy mbola nitobaka taza-maso toy izao ny harena mirantiranty anivon’ny tanàna. Mikatso ny fifamoivoizana. Efa tsy ho zakan’ny arabe intsony ny habetsahan’ny fiara, izay sady mitombo isa amin’ny ankapobeny no mihamaro ireo sady manaitra maso noho ny famirapirany no miraondraona na tsy re tsaika, mitory tanjaky ny maotera. Ivelan’izany dia mbola mipetraka ihany koa ilay fiteny momba ny fanorenana trano eto Iarivo : ny vita aty aoriana toa miezaka handresy ny lasa alohany.

Tsy ny entana amidy koa no tsy misy, na fitaovana izany na zavatra fihinana. Tsy miafina ny fisian’ny harena, kanefa tsy mitsahatra ny fitarainan’ny mponina noho ny fahasahiranana mianjady aminy. Na ny mpanao politika aza dia mifaninana

amin’ny fampandotsona ny zava- misy mba hanomezany tsiny ny mpitondra amperin’asa sy hahafahany hivarotra fampanantenana sy hisehony ho mpamonjy. Misy lamina tsy mety any ho any matoa tsy mifandanja toy izany ny fisehon’ny zava-mitranga, izay mifanipaka ny fahatsapana azy. Ny tsenan’ny fripery no anisany mampibaribary izany, tsena tena mandroso ny varotra zava-tonta. Tsy misy maharatsy ny fampiasana entana mbola mahavita izay ho vitany, nefa tsy azo atao kosa ny mody tsy mijery. Ny tsena tena mandeha eto amin’ny tanàna dia ny fivarotana ny sisan’ny any ivelany, manomboka any amin’ny fiara izany ka hatrany amin’ny kiraro anaovana andavanandro sy entina mianjaika.

Nisy tany aloha filazana ny firenena toy ny eto an-toerana ho fanariam-pakon’ny firenena madroso. Azo lazaina ho fanambanimbaniana ambony ihany izany. Marimarina kokoa angamba ny fijerena ny toerana natao ho anjaran’ny mponin’ny firenena mahantra eo anivon’ny rafitra eran-tany : mpanjifa ny entana lany manja sy efa tonta tsy ilain’ny mpanjifa any amin’ny firenena hafa. Raha fitafy no resahana, iza no mahafantatra, mety anisan’ny vokatra teo an-toerana avy amin’ny ozinina afakaba ny sasantsasany amin’ireo akanjo tonta atao hoe fripy ireo no miverina amidy eto ? Na eo aza ny fanorenana asa naterak’ireny ozinina afakaba ireny, asa na misy fifandraisana amin’izany ny fikatonan’ireo ozinina mpamokatra lamba toy ny Cotona sy Sotema, izay samy nanana ny lazany no nanakarama olona maro. Tsy resahana intsony moa ny fihenan’ny mpanjaitra nanao izany asa izany ho fivelomana. Tsy mifanalavitra amin’izany koa ny antony naha foana ny fandrariana harona, natositosiky ny plasitika. Izao anefa vao mikiakiaka noho ny fanimban’ny plastika ny tontolo iainana.

Tsy tara loatra izao raha toa ka samy omena vahana na ny indostria eto an-toerana na ny mpanao toe-java-madinika. Ireo tsena izay anjakan’ny entana tonta avy any ivelany, raha mahay mikaroka, dia misy azon’ny vokatra avy eto an-toerana ifaninana. Amin’izao fotoana izao dia sady mpitsimpona vary masaka ny tena no mbola mpanjifa ny entana lany andro avy any amin-dry zareo.

Léo Raz

 

 

Les commentaires sont fermées.